Mitodika eny amin’ireo mpitsara avo eny Ambohidahy ny mason’ny mpanara-baovao, manomboka izao. Efa an-jatony ireo fitoriana voarain’izy ireo saingy tsy maintsy misy ny fepetra arahin’ireo mpitory tamin’ny fifidianana depiote farany teo.
Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ny HCC fa anjaran’ny mpitory ny mitondra porofo amin’ny tsy fanarahan-dalàna niseho tamin’ny fifidianana, ahafahan’ireo mpitsara mandinika izany. Nanamafy izany ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, ny fiandohan’ny herinandro teo, fa anjaran’izy ireo ny mandanjalanja ny mampitombina na tsia ny porofo entin’ireo mpitory. “Azo atao porofo amin’izany avokoa na taratasy na zavatra hafa rehefa tena hita ny hosoka na hala-bato sy fihoaram-pefy tamin’ny fifidianana”, hoy izy. Nanteriny fa hojerena amin’ny antsipiriany ireo fitoriana an-jatony mahery voarain’izy ireo hatramin’ny anio, fe-potoana farany, fandraisana izany. Mbola manana tapa-bolana eo ho eo aorian’ny namoahanan’ny Ceni ny voka-pifidianana ny etsy Ambohidahy ahafahana mikirakira sy mandinika ireo fitoriana sy fitarainana ireo. Tombanana fa hivoaka ny 27 jona izao ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny HCC.
Nifampiampanga sy nifampitory ireo kandidà
Tsiahivina fa nifampiampanga ary samy nametraka fitoriana sy fitarainana avokoa ny ankamaroan’ireo kandidà. Na avy amin’ny Irmar na Firaisankina na koa ny Kolektifa ho an’ny Malagasy na ireo kandidà avy amin’ny mahaleo tena sy tsy miankina. Na ireo efa mandresy amin’ny voka-pifidianana eo anivon’ny Ceni aza, samy nametraka fitoriana eny amin’ny HCC avokoa.
Araka izany, mety mbola hiova na koa tsy hitovy amin’ny voka-pifidianana navoakan’ny teny Alarobia ny hambaran’ny etsy Ambohidahy, afaka tapa-bolana eo ho eo.
Synèse R.