Fanavaozana ny fiaraha-miasa. Tsy sambany mantsy no nitondra ny anjara birikiny, ho fitsinjovana ireo reny sy ny zaza mandalo ao amin’ny hopitaly Androva Mahajanga ny Star. Nisy indray ny fanolorana fitaovana ao amin’ity sampandraharaha iray ao amin’ny hopitaly ity, hanatsarana ny fandraisana ireo mpiteraka sy ny zaza. Notoloran’ ny Star “concentrateur d’oxygène” ny sampana, izay fitaovana anisan’ny miasa indrindra ao. Nahazo kojakojam-piterahana ihany koa ireo reny miisa 30 miandry fiterahana sy vao terabao.
Tsy izay ihany ny asa sosialy notontosain’ny Star tao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo. Nohamafisina ihany koa ny tetikasa “Kopakelatra”, ka nametrahana toeram-panangonana tavoahangy plastika miisa enina indrany any an-toerana. Manampy ireo toeram-panangonana “Kopakelatra” efa miasa izany ny ao Leader Price Majunga Be, Jovena Zato lalan’Amborovy, Supermaki Mazava Huile, Total Baobab Analakely ary Galana Antafana Majunga Be. Mazava ho azy fa narahina hetsika fanentanana izany, nandritra ny telo andro. Tafita ny hafatra satria nahangona tavoahangy plastika miisa 4.500 nandritra io fotoana io. Marihina fa tafiditra anatin’ny politikan’ny RSE ao amin’ny Star ny hetsika ara-tsosialy toy izao.
Zo ny Aina