Hotanterahina eny amin’ny FTMTK Ambohipo ny 5 ka hatramin’ny 7 jolay izao ny fiofanana ho an’ny mpanabe ho an’ny vovonana diosezy katolikan’ny Ankizy, diosezin’Antananarivo. Tanjona ny hanampiana ny traikefa efa ananana amin’ny fitantanana ireo ankizy beazina. Ilaina ny fiofanana hanarahana ny fivoaran’ny fanabeazana.
Nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ny lasim-piofanana mahakasika ny sehatrasa amin’ny angovo azo havaozina, avy amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro na ny “référentiel de formation en énergie solaire photovoltaïque”. Natolotra ny minisiteran’ny Angovo sy ny ankoran’afo izany avy eo mba hahafahany manatanteraka ny tetikasa fampiofanana mifandraika amin’izany.
Efa mitobaka eny an-tsena ireo karazana kilalao entina hambaboana ny ankizy amin’izao ankatoky ny fetin’ny Fahaleovantena izao. Fanentanana no atao amin’ireo ray aman-dreny ny hanjifana ny vita malagasy. Mbola mahasarika ny maro anefa ny vita avy any ivelany misy ireo jiro mirehidrehitra misarika ny mason’ny ankizy.