Itaosy: tratra ireo efa-dahy nanendaka mpitondra moto

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana avokoa, omaly, ireo olon-dratsy miisa efatra na­nendaka sady nangalatra moto teny Itaosy. Hamonjy fodiana, nitondra moto ny raim-pianakaviana iray teny Antanimenakely, kaominina Itaosy, ny alin’ny 9 jona tamin’ ny 11 ora sy sasany alina. Nosakanan’ny lehilahy miisa efatra anefa izy. Tsy afa-nandositra ilay mpitondra moto. Nosavain’ireo mpanendaka ny paosin’ilay lehilahy ary lasany hatramin’ny moto. Nametraka fitarainana teny anivon’ny biraon’ny zandary ilay lasibatra. Lehilahy iray nahatrarana ny fitoeram-bola nalain’ireo olon-dratsy teny amin’ilay mpitondra moto. Nohazonina natao famotorana io jiolahy iray io. Niaiky heloka izy ary nitoroka fa misy telo hafa ireo namany niara-nanao ny asa ratsy taminy. Ilay fitoeram-bola mbola nisy vola no anjaran’ity farany. Nanohy ny fanadihadiana ny zandarimaria. Natao hazalambo ireo telo lahy hafa tompon’antoka tamin’ny fitondrana ilay moto halatra. Vo­kany, voasambotra avokoa izy efa-dahy nanao ilay asa fanen­dahana teny Antanimenakely. Tsiahivina, lehilahy nanen­daka mpanao “taxi-moto” sady nangalatra moto no tratran’ny polisy teny Ilafy, ny alakamisy 6 jona teo. Niainga teny Ano­sizato, nilaza hoentina teny Androhibe io jiolahy mody nanao mpandeha io. Noro­bainy ny moto. Voasambotry niaraka tamin’ilay kodiaran-droa nangalariny izy.

Voatsatoka antsy

Ankoatra ireo, lehilahy iray niandry taksibe teny Tonga­rivo, kaominina Tanjombato nendahin’ny jiolahy roa lahy, omaly maraina tamin’ny 4 ora sy sasany. Niezaka nanohitra ireo mpanendaka io lehilahy io. Nitondra zava-maranitra anefa ireo roa lahy. Vokany, voatsatoka antsy ny tanan’ilay lasibatra. Lasa avokoa ny vola nitetina 200 000 Ar niampy ny finday teny amin’io lehilahy niharan-doza io. Nitsoaka ireo roa lahy.

Tsiferana R.

Partager sur: