Marary tsy nisy mpanati-kanina : lehilahy maty tao amin’ny hopitaly

Lehilahy, narary tao amin’ny hopitaly iray no matin’ny hanoanana. Tsy nahavita manati-kanina ho azy ny fianakaviany izay tena sahirana. Tsy nisy olon-kafa niantra ihany koa izy.

Namoy ny ainy, ny talata maraina teo, ny raim-pianakaviana iray rehefa nianjera teo an-tokotanin’ny Hopitalibe Toamasina. Noho ny hanoanana no antony nahafaty azy, araka ny fanazavana nomen’ny dokotera ao amin’ny hopitaly. Marary ao amin’ny hopitalin’ny marary tratra ao Toamasina ity raim-pianakaviana iray namoy ny ainy ity. Nandritra ny fitsaboana azy tao amin’ny hopitaly anefa, tsy tonga isan’andrao ireo fianakaviany manatitra sakafo ho azy. Somary sahirankira ara-pivelomana ireo havany tsy mahavita manatitra sakafo ho azy isan’andro, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny hopitaly. In­drain­dray ny mpanatitra sakafon’ ireo marary hafa ao amin’ny hopitaly no mba manome sakafo kely ho azy.

Nahatsiaro noana be…

Ny talata maraina teo anefa, nahatsiaro ho noana be ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Lasa nivoaka teny ivelan’ny hopitaly mihitsy izy mba hitady sakafo masaka amin’ireo mpivarotra manamorona ny hopitalibe sy izay mety afaka manampy azy. Mbola tsy teo amin’ireo mpivarotra akory anefa izy dia nidaraboka nianjera.
Hatairana ny an’ireo olona teo amin’ny manodidina ny Hopitalibe nahita azy nianjera. Nialana nenina ihany anefa izy saingy efa tsy avotra intsony ny ainy. Nohamafisin’ny mpitsabo ao amin’ny hopitaly fa vokatry ny hanoanana diso tafahoatra no nitarika ny fahafatesany. Midika izany fa raha tsy ny aretina no hamono ny olona dia ny hanoanana ma­noloana amin’izao fahasa­hiranana mianjady amin’ny vahoaka izao.

Sajo/J.C

Partager sur: