Tanterahina ao amin’ny Hotel de Thermes Antsirabe, mandritra ny 5 andro, nanomboka ny 10 jona 2024, ny atrikasa fanomanana sy fampivoarana ny fitaovam-piofanana ho an’ny toeram-panofanana ho mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Mifampizara traikefa ao anatin’izany ny avy eo aanvon’ny minisiteran’ny Vola sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Asam-panjakana, ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny avy amin’ny Anjerimanontolo ary ny tahirin’ny fampandrosoana ifotony (FDL).
Tanjona amin’ny atrikasa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanofanana ao anatin’ny toeram-panofanana mpiasam-panjakana. Anisan’ny hahazo tombony amin’izany ny avy eo anivon’ny Enam, INFA ary ny INDDL. Miantoka ihany koa ny fahaiza-manaon’ny mpiasam-panjakana, indrindra ny eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fananana toeram-piofanana tsara kalitao. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanatsarana ny fahaiza-manaon’ny tomponandraikitra eny ifotony izao, ao anatin’ny fandaharanasa Rindra miaraka amin’ny USAID sy ny Pnud.
Vinan’ny mpikarakara rehefa hampihatra izao atrikasa izao ny mba ho toeram-piofanana hahomby, ho tomponandraikitra hangarahara ary hiasa ao anatin’ny Lalàmpanorenana sy ara-dalàna ireo Andrimpanjakana nasionaly, sady hanaja ny fanjakana tan-dalàna sy ny zon’olombelona, ny fitovian’ny lahy sy ny vavy, ny fiahiana ny tontolo iainana mba hiantohana ny fototry ny ara-politika.
Lin