Mpihiran’ny taona 1960 : nodimandry i Françoise Hardy

« Tous les garçons et les filles », hira nanana ny lazany naneran-tany, nanomboka ny taona 1962. Nisongadina ny talentan’i Françoise Hardy, mpihira teratany frantsay… Omaly, fantatra fa nodimandry izy !

Araka ny vaovao nambaran’i Thomas Dutroncs, zanany lahy. Nodiman­dry ny alin’ny talata 11 jona 2024, teo amin’ny faha-80 taonany, i Françoise Hardy. «Mphiran’ny taona 1960 », nanana ny la­zany, tsy tao Frantsa ihany fa naneran-tany mihitsy. Raha ny nambaran’ny zanany hatrany, aretina homamiadan’ny tenda (faritra mampitohy ny orona sy ny vava) no nitarika izao fahafatesany izao.
Tany amin’ny fahazazany sy ny taonan’ny adolantsento, voasariky ny « rock’n’roll » ity mpanakanto ity… Taona 1960, nahazo ny zavamaneno gitara izy ka nampiana-tena. Nan­dray anjara tamina fandaharana maro hoenti-mampahafantatra ny talenta, any amin’ny Radio. Taona 1962, niseho Televi­ziona sy nihira voalohany ny « Tous les garçons et les filles ». Teo no ho eo, rakotra ny lazany izao tontolo izao. Faran’ny taona 1962, nahatratra 500 000 ny isan’ny kapila « 45 tours » lafony. Herintaona taorian’io, nandritra ny 11 herinandro, nitana ny laharana voalohany hatrany ny varotra natao ta­min’ny « Tous les garçons et les filles ». Tsy nijanona tamin’ ny teny frantsay intsony ity hira ity fa navadika tamin’ny fiteny italianina ihany koa.
Nivelatra naneran-tany (Espainina, Etazonia, Pays-Bas…), ny lazan’i Françoise Hardy. Nanakoako ny “Le temps de l’amour”, “Le premier bonheur du jour”, “L’amour d’un garçon”, sns. Niara-niasa tamin’ireo andrarezin’ny hira sy ny famokarana kapila toa an’i Michel Berger ihany koa ity mpanakanto ity.

Nanagona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: