Tsy misy tandroka marina ny ratsy ! Tovolahy iray 31 taona mpianatra ho mpitsabo no voasambotry ny polisy noho izy voarohirohy ho nangalatra ny findain’ireo marary ao amina hopitaly iray lehibe eto an-drenivohitra, ny 6 jona lasa teo. Mitaraina ny ankamaroan’ireo marary manaraka fitsaboana ao amin’io hopitaly lehibe io momba ny fisiana trangana fahaverezana finday. Tsy an’ireo marary ihany no very fa hatramin’ireo mpiandry marary koa manjavona avokoa rehefa sendra varimbariana. Manoloana ity raharaha ity, tonga nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ireo lasibatry ny halatra ao amin’io hopitaly io. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy. Nametrahana polisy manao fanamiana
sivily tao amin’ny hopitaly mba hanara-maso ny fisian’ireo olona mifamezivezy. Nahitam-bokany izany, satria tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay mpianatra ho mpitsabo nivadika ho nanao asan-jiolahy tampoka. Voarakitra tao anatin’ny « caméra de surveillance » avokoa fa izy no mangalatra ny finday sy ireo firavaka sarobidy ao an’efitranon’ny marary. Nentin’ny polisy natao famotorana izy ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika. Nanamafy ny polisy fa aoka ho mailo hatrany fa tsy kely lalana ny mpanao ratsy.
J.C