Ny hendry mody voky

 

Herinandro mahery sisa dia ho fantatra ny lisitry ny mpilalao hiakatra kianja ao Tsimbazaza. Efa eo am-pikirakirana ny taratasy fitoriana sy fitaraina amin’ny hala-bato ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC. Ity farany izay nanambara mazava fa tsy maintsy mitondra porofo mazava ny kandidà mpitory. Tsy mihonona amin’ny fiampangana an-jambany ireo mpitsara ambony.
Raha ny fantatra, maromaro ny kandidà mpanohana ny fitondrana no nametraka ny fitarainana amin’ny resaka hala-bato. Niaraha-nahita rahateo ny fanambarana nataon’ ny Irmar nialoha ny famoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika. Any sisa no fara-fanantenana. Didy tsy azo ivalozana rahateo no mivoaka ao mialoha ny fetin’ny Faha­leovantena, ny 26 jona.
Tsy vitsy ihany koa ny kandidà amperinasa no tsy tafaverina intsony. Misy amin’izy ireny no nandefa fitoriana eny amin’ny HCC. Misy indray no nangina sy nanaiky resy amim-boninahitra. « Ny hendry mody voky fa ny adala no manesika ihany », hoy ny fomba fiteny malagasy. Nisy ny kandidà nisafidy nivoaka tamin’ny varavarambe feno fanajan-tena.
Andrimpanjakana, taratry ny demokrasia eto Mada­gasikara rahateo ny mpanao lalana. Toerana tokony hisian’ ny lalao madio sy manaja fitsipika. Toerana tokony hisian’ ny fifandimbiasam-pahefana anaty firahalahiana ihany koa. Tokony hiavaka sy ho maodely ny fomba filalaovan’ ny depiote politika. Izy ireny rahateo no misolontena ny vahoaka izay nifidy ka nampindrana azy ny fahefana.
Ain-dehiben’i Madagasikara rahateo ny depiote 163, hiaka-dapa. Iraha-mahalala rahateo fa miankina amin’ izany ny ho lehiben’ny mpanatanteraka iray, hiaraka amin’ ny Filohan’ny Repoblika. Ny Praiminisitra dia tsy maintsy hivoaka avy amin’ny maro anisa. Raha ny voka-pifidiana ankehitriny anefa, mbola tsy marin-toerana ny antokom-pitondrana.

r.r

Partager sur: