Hotanterahina anio alakamisy, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium ny manasa-dalana mandroso, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja baolina kitra «Pureplay football league». Hifandona amin’izany ny Elgeco Plus sy ny 3FB Toliara. Amin’ny alahady kosa ny manasa-dalana faharoa, hifandonan’ny Disciples FC sy ny Zanakala.
Tafaverina soa aman-tsara an-tanindrazana omaly folakandro, ny Barea de Madagascar rehefa avy nanatanteraka ny lalao fifanintsanana niadian-toerana ho an’ny Mondial 2026, tatsy Afrika Atsimo. Avy hatrany dia namonjy ny kliobany ireo mpilalaon’ny Elgeco Plus sy ny an’ny Disciples FC.
Hiditra amin’ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby, sokajy vehivavy. Fihaonana hatao etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny alahady 16 jona ho avy izao. Hifandona ny FTM Manjakaray sy ny Asut ary hifampitana kosa ny SCB Besarety sy ny 3FB.
Miandry ny lisitra ofisialy ny amin’izay ho isan’ny atleta Malagasy hiatrika ny lalao Olympika, hatao any Frantsa amin’izao fotoana izao ny rehetra. Fabio sy i Rosina ary i Laura, efa nahazo ny tapakila tamin’ny alalan’ny fifanintsanana. Ny efatra kosa miandry ny fanasana manokana na ny “wild card”.