Mpanakanto indianina anisan’ny fanta-daza maneran-tany i Arjun. Fantatra fa ho avy manokana eto Madagasikara, hanafana ilay hetsika “Bollywood Glam Night”, izay hotontosaina ny 22 jona izao, etsy amin’ny Novotel Ivandry izy. “Hetsika hanomezan-danja ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Inde sy i Madagasikara izy ity. Fanombohana ihany fa manam-pikasana izahay ny hanamafy bebekokoa izany eo amin’ny sehatra maro”, hoy ny nambaran’i Amina Ghivalla, mpikarakara avy ao amin’ny Ami Vision, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ ny foiben’ny Telma, omaly.
Tsy i Arjun irery no vahiny hanafana ny fotoana fa ho avy ao koa ilay mpikosoka kapila indianina, DJ harpz, sy ny tarika mpanao soradihy maorisianina iray, Krumania Dance Group. Amin’ny maha fifanakalozana azy, haneho ny kanto Malagasy koa i Gaei mandritra ny fotoana. Eo koa ny fanehoana ny lamaody sy ny haitafy entin’ny Bogasy Madagascar.
Zo ny Aina