Fanarenana ireo tena marefo: hiahy ankohonana 657 000 ny fandaharanasa “Tsimbina”

Mampahafantatra ny fandaharanasa vaovao, “Tsimbina”, izay tanterahiny ny Fid.Hiahy ankohonana marefo miisa 657 000 ity fandaharanasa vaovao ity.

Fandaharanasan’ny go­verne­manta malagasy ho fiahiana ireo mpiara-belona marefo noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ha­nohanana ny fianaran’ny ankizy ny fandaharanasa “Tsim­bina”. Vatsy sy tantsoroka misy fanentanana sy hetsika entina manatsara ny fiainan’ireo ankohonana sy ny asa fampidiram-bolany ary ny fanjarian-tsakafo no ho hita amin’izany.
Ankohonana miisa 657 000, ao anatin’ny faritra 23, distrika 119, no hisitraka izany.
Notsongain’ireo komity mpiahy ny mpiara-belona, nandalo sivana sy fankatoavan’ny mpiray monina ny fifantenana ireo ankohonana hisitraka ny fandaharanasa.
Voasokajy ho marefo, nahafeno ny fepetra rehetra ary monina amin’ireo toerana niharan’ny fiakaran’ny vidim-piainana mafy indrindra (an-tanàn-dehibe 53%, ambanivohitra 47%) izy ireo.
Voafetra ny tetibola enti-manana, noho izany, voafetra ihany koa ny isan’ny ankohonana afaka hisitraka. Ho an’ny faritra Alaotra Mangoro, miisa 47 500 ireo ankohonana hisitraka ny fandaharanasa “Tsim­bina”. Miisa 35 500 kosa izany ho an’Amoron’i Mania sy Atsimo Atsinanana. Ao Vakinankaratra sy Atsimo Andrefana no be mpisitraka indrindra, manodidina ny 50 000 avy ireo ankohonana hotsimbinina anatin’izany.
Hahazo ny anjarany ihany koa ireo ankohonana 33 500 tena marefo eto Analamanga, Anosy, Analanjirofo, Androy, Atsinanana, Betsiboka, Bo­eny, Bongolava, Diana, Iho­rombe, Itasy Matsiatra Am­bony, Melaky , Menabe, Sava, Sofia ary Vatovavy.
Mampiarina tokantrano hiala amin’ny fahantrana lalina ny fandaharanasa. Hahaleo tena ara-pivelomana amin’ny alalan’ireo tantsoroka no tena tanjona.
Marihina fa amperinasa ny laharana 950, antso maimaimpoana, raha misy filankevitra na koa hanao fitarainana mahakasika ny tranga tsy ara-drariny amin’ireo fandaharanasa rehetra tanterahin’ny Fid.

Tatiana A

Partager sur: