«Festival international du film d’animation»: nisongadina ny horonantsarimiaina «Ala fady»

Tanterahina ao Annecy-France , nanomboka ny 11 jo­na 2024 hatramin’ny 15 jona 2024, ny “Festival Interna­tio­nal du Film d’animation”. Mpamokatra sy mpanatontosa horonantsarimiaina maro ma­neran-tany no mandray anjara amin’ity hetsika ity. Anisan’ izany ny horonantsarimiaina « Ala fady », an’i Maneza, izay Malagasy mpanatontosa. Efa an-taonany maro no nisian’ny hetsika. Ankoatra ny fampivoarana sy fampivelarana ny tontolon’ny horonantsarimiaina, tanjona koa ny hanomezana tosika ny mpanatontosa itony karazana horonantsary itony.
Ambohipihaonan’ny mpamokatra sy mpanatontosa horonantsarimiaina ny ao Annecy-France. Miisa 3 400, avy amina firenena an-jatony, no mandray anjara amin’ny hetsika. Mizara sokajy 10 ny fandraisana anjaran’izy ireo. Ao amin’ny sokajy “Long métrage” no ahitana ity notontosain’i Maneza, niarahany niasa tamin’ilay Italianina Francesco De Meo, ity. Tan­tara maneho ny karazana fomba sy fady ary zava-miafina misy eto Madagasikara izy ity. Maharitra 65 minitra ary misy amin’ny teny malagasy sy italianina. Ankoatra ny fanehoana ny kolontsaina sy fomba malagasy, manentana ny rehetra hiaro sy hanavotra ny tontolo iainana ihany koa ity horonantsarimiaina ity.
Anisan’ny nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ ny mpanatrika sy ny mpikarakara ity « Ala fady » ity. Anisan’ny naharesy lahatra ny rehetra ny kalitao teknika sy ny votoatiny ary ny lesona maro samihafa entiny ho an’ny mpijery.

Lin

Partager sur: