Fifampitifirana teto an-dRenivohitra: jiolahy telo matin’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy teny Namontana, afakomaly, i Tsilakely. Tafakatra telo ny mpanendaka
sy mpanao fanafihana mitam-basy voatifitra tao anatin’ny efatr’andro.

Nirefodrefotra indray ny basy teny Namontana. Lavon’ny mpitandro fila­minana i Tsilakely, jiolahy raindahiny, afakomaly alina. Lehiben’ny mpanao fanafihana mitam-piadiana “Bande des huit” eny amin’ny manodidina. Nanao ezaka manokana ny polisim-pirenena hamongorana ireo jiolahy eny amin’ny manodidina an’Anosibe sy Namontana. Nanao fanamiana sivily ireto farany. Nidina teny an-kianja nitily sy nanara-maso ireo nampiahiahy. Lehilahy roa nikasa hanao fanendahana, nitondra antsy lava no nifanehatra tamin’izy ireo teo amin’ny Sary Masina, eny Namontana.
Namaly tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy izy roa lahy olon-dratsy. Raikitra ny fifandonana. Vokany, lavon’ny bala ny iray. Tafaporitsaka ilay namany. Latsaka teny amin’io lehiben’ny jiolahy io antsy nokasainy hamelezana ny mpitandro filaminana. Nahita­na rongony koa tany am-paosiny. Mitohy ny hazalambo hikarohana ireo namany.

Nifanenjehana

Tsiahivina, jiolahy roa lahy maty voatifitry ny polisy tao Ambi­lanibe, ny alatsinainy 10 jona teo. Mpanao fanafihana mi­­tam-piadiana sady mpanendaka amin’ny andro atoandro koa izy ireo. Nahatazana ny mpitandro filaminana, nanohitra sady nanao tongotra an-katoka ireo olon-dratsy ireo. Ni­tifitra ny polisy. Maty avokoa izy ireo. Mitohy ny hetsika manokana hanatraran’ny polisy ny jiolahy mampitondra faisana ny mponina eto an-dRenivohitra.

Tsiferana R.

Partager sur: