Nitohy tany amin’ny faritra Itasy ny hetsika fizarana karatany faobe. Nanatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT).
Anisan’ny nisitraka izany hetsiky ny fitondram-panjakana izany indray ny tao amin’ny distrikan’Arivonimamo, ahitana ny kaominin’ Ambohimpandrano sy Miantsoarivo. Miisa 20 069 ireo karatany nozaraina tany an-toerana ka nitarika izany ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, notronin’ireo tomponandraikitra isan-tokony eo anivon’ny faritra sy ny ao amin’ny distrika. Naneho ny fankasitrahana izao hetsika fizarana karatany faobe izao ny solontenan’ny mponina avy amin’ireo kaominina ireo. Anisan’ny mamaha ny olan’ny fananan-tany eny anivon’ny tontolo ambanivohitra izany, araka ny nambaran’izy ireo.
Ankoatra izany, niatrika fiofanana momba ny fahazoana sy ny fampidirana ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny drafi-panajariana ny fitaleavana rehetra eo anivon’ny MFFT, tamin’ity herinandro ity, tetsy Analakely.
Drafi-panajariana ny tanàn-dehibe
Nambaran’ireo nandaha-teny fa miantraika amin’ny olona tsirairay, ireo kaominina, ireo faritra rehetra manerana ny Nosy, ny fiovan’ny toetr’andro ka antony nanaovana izao fiofanana izao. “Ho fanamafisana ny fiatrehan’ny tanàn-dehibe ny fiovan’ny toetr’andro izany”, hoy ireo tomponandraikitra. Nisongadina amin’ireo lohahevitra ny fampahafantarana ny momba ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny ankapobeny. Eo koa ireo lalàna mipetraka sy mifehy ny fiatrehana izany ary ny fampidirina azy ao anatin’ny drafi-panajariana an-tanàn-dehibe.
Nisahana ny fanofanana ny eo anivon’ny orinasa “Ginger sofreco” ary nanohana izany kosa ny fiaraha-miasa frantsay (AFD).
Synèse R.