Tonga ny fotoana ho an’ireo mpakafy ny haiady Muay thaï rehetra. Vonona avokoa ireo nakmuay malagasy amin’ity fifaninanana “Trophée du Choc” ity. Hamarana ny lalao ny fihaonan’i Fazaraly sy Johnny Gauvin.
Hafana ny lalao! Hotanterahina anio, eny amin’ ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny haiady muay thaï, «Trophée du Choc-World Cola» andiany fahefatra. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ilay Malagasy Nakmuay, Elfazar Fazaraly Razanajatovo na Superbadboy sy ilay renioney, Johnny Gauvin.
Hiady ny fehikibo manan-danja avy amin’ny “World All Fight System Organization (AFSO” izy mirahalahy ireto ka izay mivoaka mpandresy no hiady amin’ilay tompondaka maneran-tany farany teo.
Tsiahivina fa i Fazaraly, efa indroa voahosotra ho tompondakan’ny “Kunlun Fight”, tompondaka indroa tamin’ny “WLF”, ary efa tompon’ny amboara lefitry ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany muay thaï, ny taona 2019, tany Chine.
“Vonona!”
“Vonona tanteraka aho ary efa ela ny tenako no nanomana ity fifanandrinanay ity. Efa nijery ny fomba fiadiany izaho ary manana paikady entina handresena azy. Manentana ny Malagasy rehetra ny tenako hanohana ahy fa hiady ho an’i Madagasikara aho”, hoy i Fazaraly, omaly, nandritra ny fandanjana ireo mpikatroka, teny Mahamasina.
Araka ny vaovao nampitain’ ny Federasiona malagasin’ny Muay Thaï, ho avy ny federasiona iraisam-pirenena IFMA. Hisy ny fampiofanana ireo mpitsara rehetra, anio maraina, eny Mahamasina.
Fitia Randria