Tsy mety fay mihitsy! Tratran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, ny 8 jona 2024 teo, ny lehilahy iray nisoloky milaza ho mpiasa ao amin’ny kaompania Madagascar Airlines. Milaza ity mpisoloky ity fa mahatafiditra olona hiasa ao amin’io kaompania io. Nambarany tamin’ireo olona solokiany fa mandray mpiasa ity kaompaniam-pitaterana ana habakabaka ity ka vola 480 000Ar isan’olona ny saran’ny fandraisana ny antontan-taratasy mialoha. Naheno izany ireo olona sahirana mitady asa dia roboka avy hatrany ka namorona ny tsy misy tokoa satria te hiasa ao amin’ny Madagascar Airlines. Vao azon’ity jiolahy ity anefa ny vola dia tsy hita intsony izy sady tsy tratra antso amin’ny finday rahateo koa. Nifindra trano ihany koa izy. Olona iray no nanao fitarainana voalohany teny amin’ny zandary ka fantatra fa puce maromaro no ampiasain’izy mivady rehefa hanao ny asa ratsy toy izao.
Fantatra ihany, tamin’ny alalan’ny angom-baovao amin’ireo olona mahafantatra azy, anefa ny trano nifindrany. Ao Ankadilalampotsy, kaominina Ankaraobato, izy no nifindra. Raha vantany vao voasambotra izy, tonga koa ny olona telo hafa voasolokiny nanao fitoriana. Nitory azy koa ny kaompania Madagascar Airlines satria nanatona teny anivon’ny kaompania avokoa ireo efa nanantena fa hiasa avy hatrany. Tao anatin’ny famotoran’ny zandary no nahafantarana fa nitaky volabe hafa koa ity mpisoloky ity ho an’ireo olona maniry hahazo toerana ambony. Tafakatra 1 110 000Ar isan’olona ny vola azony tamin’izany. Nanomboka ny 24 avrily 2024 ny fikarohana saingy izao izy vao tratra ka niafara tamin’ny fampidirana azy am-ponja.
J.C