Olan’ny fifidianana any Faratsiho: naka mpisolovava hiaro ny olony ny Ceni foibe

Nitondra fanazavana ny mpampakatenin’ny Ceni, i Soava Andriamarotafika, omaly, tetsy Alarobia, manoloana ny olan’ny fifidianana any Faratsiho. Nambarany fa manaraka akaiky ny toe-draharaha izy ireo amin’izao fotoana izao.

Notsiahiviny fa voarohirohy ho nanao hosoka ny tomponandraikitra iray misahana ny kajy mirindra any an-toerana, araka ny fanenjehana azy. Nanteriny fa tsy manamaivana izany ny eo anivon’ny Ceni foibe. “‘Efa noraisina ny fepetra sy andraikitra ahafahana mikatsaka ny fahamarinana ary efa naka mpisolovava hiarovana azy amin’ny dingana rehetra izahay ato amin’ny Ceni. Tsy mitsabaka amin’ny raharaha eny amin’ny fitsarana koa anefa izahay “, hoy izy. Nambarany koa fa manao ho zava-dehibe ny asa aman-draharahan’ireo rantsana rehetra hatreny anivon’ny fokontany ny Ceni ary manara-maso ny fomba fanatanterahana ny asa anirahan’ny lalàna azy ireo. Mampi­risika ny rehetra hanao ny asany araka ny tokony ho izy amin’ny asa nankinin’ny firenena aminy ny tsirairay, araka ny nambarany. Na izany aza, nohitsiny fa tsy mijery arina an-tava na hanolo-batomafana ny eo anivon’ny Ceni foibe raha misy ny solafaka na koa nandika lalàna. “Tsy afaka hiaro izany izahay ary mandala ny fanjakana tan-dalàna isika. Aleo ny fitsarana, hany manana fahefana, sy afaka mandanjalanja izany no hametraka ho zava-dehibe ny fampiharana ny lalàna”, hoy ihany izy. Nampahatsiahy koa ny eo anivon’ny Ceni fa misy andraikitra tsy azo ihodivirana ao anatin’izany. Eo koa ny ezaka hatao ho amin’ny soa iombonana amin’ny maha raharaham-pirenena ny fifidianana.
Tsiahivina fa efa eny anivon’ny fitsarana ity raharaha ity noho ny fitorian’ny kandidà iray nifaninana any Faratsiho izany tomponandraikitry ny Ceni izany. Misy koa anefa ny fitoriana momba ny fifidianana eny anivon’ny HCC.

Synèse R.

Partager sur: