Soa lavo hahay mamindra

 

Lalan-kizorana, tsy azo ihodivirana ny fanovana ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Miandry vokatra ofisialy avy eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana sisa dia raikitra. Ny filohan’ny Repoblika rahateo mbola mamita iraka any ivelany. Miandry andro vitsy alohan’ny fetin’ny fahaleovantena dia mazava ny zotra arahin’i Madagasikara.
Antony maromaro no tsy maintsy hirosoana amin’ny fanovana. Ny fiovan’ny fifandajan-kery eny anivon’ny Antenimierampirenena, voalohany indrindra. Faharoa ny fahalanian’ny minisitra sasantsasany ho depiote. Farany, ny fametrahana izay olona tena mamim-bahoaka, taorian’ny fitsapan-kery tamin’ny latsa-bato. Misy ireo noheverina fa ho henjana, kinanjo sady tsy nihira no tsy nanao tsianjery. Tsy maintsy mijery ny ekipa ho mpandresy hatrany, araka izany, ny Filoha.
Mila manova famindra ny fitondram-panjakana taorian’iny fifidianana natao ny 29 mey iny. Tsy afaka ny mitompo teny fantatra intsony. Tsy maintsy mitady ny fomba hamerenana amin’ny laoniny ny fitiavan’ny vahoaka malagasy an’ilay Filoha «mamim-bahoaka ». Tsy Rajoelina Andry samirery no afaka hanao izany fa mila olona vonona sy vanona izy, hiara-miroso aminy.
Hatreto, ireo fandoto maro manodidina azy no manjakazaka, hany ka mivaralila ilay fitondrana. Mitsingilaila izany ny fototra ijoroan’ilay fahefana. Tsy nahagaga ireny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana izay navoakan’ny Ceni ireny. Na nahazo ny maro anisa aza, tena kofona teto Analamanga. Misy hafatra miafina, mila takarina ny ambadik’izany. Tsy raisina ho tsy fitiavana fotsiny, fa fakana lesona amin’ny fomba fitondrana sy ny fifandraisana amin’ilay Malagasy eny ifotony.
Ny soa lavo hahay mamindra, ny soa kenda hahay itsako. Ny hery rahateo tsy mahaleo ny fanahy. Voaporofo izany tamin’ny distrika maromaro.

r.r

Partager sur: