Kiaka etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Hifandao indray” ny lohatenin’ity seho anio alina ity. Hifandao vetivety ny marimarina kokoa, satria hitodi-doha ho any ivelany indray i Johnny, iray amin’ireo mpikambana. Fotoana iarahana sy hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy tsy afaka tamin’ireo seho nifanesy nataon’ny tarika Kiaka teo izany.
“Generation 2000” – Hiverina an-tsehatra ry Joy K sy SpyDee. Nivoaka omaly alina ny anaran’ireo mpanakanto hanafana ilay andian-tseho “Generation 2000” amin’ity taona ity: Raboussa izay efa teo, Tovo J’Hay, Titi, SpyDee ary i Joy K. Hotontosaina ny alahady 28 jolay, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ity seho miavaka ity.
Tontosa omaly ilay tafatafa niarahana tamin’ireo mpanao Hip-Hop. Niresaka ny lohahevitra manodidina ny asa sy ny fandraharahana ao anatin’ny kolontsaina an-tanàn-dehibe tetsy amin’ny CGM Analakely ry Tongue Nat, Luc Rehava ary Do B. nandrindra ny adihevitra kosa i Poety Rebely.
« Dancing Retro et Nostalgie », tanterahina ao amin’ny Cafétaria CCEsca Antanimena, ny sabotsy 22 jona izao manomboka amin’ny 10 ora maraina. Sehatra hafanain’i Fabrice Herizo Retro, anisan’ireo nahatahiry ny hira malagasy sy vahiny tany amin’ny taona 1920… 1980. Ho rakotra karazan-dihy nalaza fahiny ny fandaharam-potoana. Anisan’ireny ny rock, cha cha , tango, paso double, valse, twist, madisson, jerk, charleston, boléro, séga , disco …