Tetikasa PICM : antontam-baovao ara-barotra

Misy ny fitaovana niomerika antsoina hoe Varavarana misokatra ho an’ny antontam-baovao eto Madagasikara (PICM). Miahy azy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic), miaraka amin’ny Komity na­sionaly manamora ny fifanakalozana ara-barotra (CNFE). Manohana ara-bola ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), ao anatin’ny Tetikasa fanajariana ny rohy ara-barotra (PACFC). Tanjona ny hanamafisana ny fidiran’ i Madagasikara ao amin’ny tsenam-paritra, toy ny Sadc, ny Comesa, ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI). Hita ao anatin’ny PICM avokoa ny antontam-baovao momba ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena. Toy ny an­tontanisa, ny fitsipika sy ny dingana arahina, ho an’ny fanondranana na fanafarana entana any ivelany, sns. Na­voitran’ny minisitra Mic, Raza­findravahy Edgar, nandritra ny fampahafantarana ny PICM, ny 30 avrily teo, fa hanampy betsaka ny mpandraharaha ity fitaovana ity, ary anisan’izany ny tetikasa indostrialy ODOF, napetraka isaky ny distrika.

Njaka A.

Partager sur: