«Tournoi Fivami» : tompondaka ny BAF Ampahibe

Toy ny fanao isan-taona, teny Ambohimalaza no toerana natokan’ny Fikambanan’ny vady miaramila (Fivami) manerana ny Nosy, niarahabana ny reny filoha an’izy ireo, Sahivelo Marie Joséphine, vadin’ny minisitry ny Foloalindahy sy ny fi­loham-boninahitry ny fikambanana, Deramasinjaka Hanta, vadin’ny lehiben’ny Etama­zaoron’ireo Tafika. Hetsika maro no nen­tina nanamarihina izany. Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana, nitohy ta­min’ny lalao ara-panatanjahantena basket-ball ary fiaraha-misakafo. Marihina fa ny vady miaramila avy eo anivon’ny Ba­taillon Appuis Feu (BAF) Ampa­hibe no voahosotra ho tompondaka « tournoi Fivami fête des mères 2024 » rehefa naharesy ny avy ao amin’ny Sekolim-pirenen’ny manamboninahitra lefitry ny Tafika (Ensoa). « Tanjona amin’izao fihaonana izao ny hitohizan’ny fifankatiavana sy ny firaisankina hatrany eo amin’ny samy vady miaramila », hoy ny filoham-boninahitry ny Fivami.

J.C

Partager sur: