Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby no lavon’ny balan’ny zandary teo anelanelan’ny lalana Ankerika sy ny tetezana Tsinjomorina, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Ikoizana amin’io asa ratsy io sady manolana ny lasibatra ity olon-dratsy ity sy ny namany. Nasesin’izy ireo nanaovana halatra omby nandritra ny fotoana maro ny tanàna, toy ny tao Antelopolo.
Tratran’ny zandary koa ireo jiolahy nangalatra sarindokotra 11 sy akoho tao Morarano, fokontany Tsinjony, kaominina ambanivohitr’i Behenjy, afakomaly. Niantso ireo zandary mpanao sakana ao Tsinjony haingana ny tompon’ireo vorona. Nosakanana ny fiara iray mampiahiahy ka tratra tao ireo roa lahy niaraka tamin’ny fiara. Nilaza izy ireo fa efa misy mpandray izany eny Fasankarana.
Mirongatra ny hala-boty eny Ambohibary Ambalavao, distrikan’Atsimondrano. Miraviravy tanana, noho izany, ny mponina amin’ny afitsok’ireo jiolahy. Tsy mifidy hangalarina intsony ireo mpangalatra fa hatramin’ny akoho amam-borona, ny saonjo eny an-tanimboly.