Nankalazaina tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, ny Andro ho an’ny ankizy eto Afrika ho an’i Madagasikara. 60 mahery ireo mpianatry ny CEG sy EPP tonga nanatrika izany, avy any Fort Dauphin, Fenoarivo Atsinanana ary Analamanga.
Lohahevitra nodihina, nandritra ny hetsika, ny fampianarana ho an’ireo ankizy lahy sy vavy afrikanina, tonga ny fotoana. Ankizy avokoa ny 40 % ny mponina eto Afrika ka antony nametrahan’ny Vondrona afrikanina ho taonan’ny fampianarana ity taona 2024 ity. « Zava-dehibe ny hanomezan-danja ny fanabeazana satria miantoka ny hoavin’ny ankizy sy ny fandrosoan’ny firenena ny fanabeazana », hoy ny solontenan’ny Unicef eto Madagasikara, Christine Jaulmes. Nilaza izy fa tsy afaka handroso mihitsy ny olona sy ny firenena raha toa ka tsy mahay mamaky teny sy manoratra.
« Anisan’ny mbola misedra olana eo amin’ny fampianarana ny any amin’ny faritra Atsimo », hoy hatrany ny solontenan’ny Unicef eto Madagasikara, Christine Jaulmes. Miezaka hatrany izy ireo sy ireo mpanohana ary mpiara-miasa rehetra mitady vahaolana tsikelikely hanatsarana ny fianarana eto Madagasikara. Manentana ny ankizy hahatozo ny fianarana hatramin’ny farany izy ireo mba ho fampandrosoana an’i Madagasikara. « Mbola misedra olana ny fampianarana eto Madagasikara », hoy ireo mpianatra tonga nanatrika ny hetsika teny an-toerana. “Anisan’izany ny halaviran’ny toeram-pianarana izay manodidina sy mihoatra ny 4 km eo izany ka mananosarotra”, hoy i Lucianna, avy any Fort Dauphin. « Simba sy potiky ny rivodoza ny varavaram-pianarana sy ny kahie hanoratana », hoy kosa i Avotriniaina, mpianatra eto Anatananarivo. Tsy afaka mandeha any an-tsekoly ny zaza, noho izany. Fikambanambe iraisam-pirenena miahy ny ankizy ny Unicef. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fanampiana ireo mpianatra.
Mino