Raim-pianakaviana iray no maty voafira antsy tamin’ny tendany, omaly, tao Toamasina. Novonoina niaraka taminy ihany koa ny mpanampiny.
Hita faty novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana tao an-tranony, ao Camp Docker P/lle 31-11 Tanambao II, Toamasina, omaly, ny raim-pianakaviana iray 84 taona sy ny mpanampiny vavy iray. Voakapa ny antsy teo amin’ny hatony ilay raim-pianakaviana raha nihosin-dra tamin’ny tany kosa ilay tovovavy mpanampiny. Nandriaka nanerana ny trano ny ra. Nahataitra ny mponina teo an-tanàna koa ny tsy fahitana ilay mpanampy vavy mamoha trano maraina. Ny zanak’ity raim-pianakaviana niharam-boina ity hiditra ny trano tamin’ny 5 ora sy 30 mn no nahita ny fatin-drainy sy ilay mpanampy nitsirara tamin’ny tany. Niantso ny fianakaviana sy ny mponina teo an-tanàna avy hatrany izy taorian’izay. Fotoana fohy taorian’ izay, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina nanao fanadihadiana.
Tsy nisy entana very
Tao anatin’ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy no nahafantarana fa mpiasa efa misotro ronono io hita faty io. Vao avy nandray fisotsoan-dronono afakomaly izy. Voalaza fa manana areti-maso izy. Noho izay indrindra, tsy dia mahita firy. Miahiahy amin’izao raharaha izao ny mpifanolobodirindrina aminy. Tsy mbola fantatra koa anefa ireo entana very. Tombanan’ny rehetra fa lasan’ ireo mpanafika ny vola fisotroan-dronono an’ilay raim-pianakaviana. Voamarina anefa fa tsy nisy entana very tao an-trano nandritra ny fitsirihana nataon’ny polisy. Ahina ho valifaty, araka izany, ny ambadik’ izao raharaha vonoan’olona mahatsiravina izao. Ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny polisy no mamaritra ny marina rehetra momba izany.
Sajo/J.C