FANTINA sy FINTINA

Notanterahina tamin’ny alalan’ny fihaonana ampitain-davitra ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Tsy eto an-toerana fa miatrika fivoriana iraisam-pirenena eo anivon’ny Cnuced any Genève, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Niatrika ny filankevitra kosa ny Praiminisitra, Ntsay Christian, sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta.
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hanafaran’ny fiadidiana ny Repoblika fiara sy moto ho an’ny mpitandro filaminana “Forces de Défense et de Securité – FDS”. Hampandraisana anjara amin’ny matso amin’ny fetim-pirenena ny 26 jona izao izany. Teo koa ny fankatoavana ny fandraisana mpianatra ho zandary miisa 1500.
Miisa 18 ireo fitoriana napetraky ny mpisolovava ny Firaisankina eny amin’ny HCC, omaly, momba ny zotram-pifidianana depiote farany teo. Anisan’izany ny hosoka amin’ny fitanana an-tsoratra ho an’ny voka-pifidianana any Ihosy. Eo koa ny fahasamihafan’ny PV eny amin’ny SRMV sy ny eo an-tanan’ny kandidà, arovan’ity mpisolovava ity.
Efa nametraka fitoriana eny amin’ny HCC, ny herinandro teo, ny Kolektifa any Fianarantsoa. Nam­baran’ny kandidàn’izy ireo fa nahitana tsy fanarahan-dalàna ny fifidianana tany an-toerana. Anisan’izany ny fampiasana fitaovam-panjakana sy fahefam-panjakana hanaovana propagandy. “Tokony hofoanana ny vaton’ny kandidà voakasik’izany”, hoy izy ireo.

Partager sur: