Federasion’i Rosia: hitohy hatrany ny fanohanana an’i Madagasikara

Notanterahina omaly, teny amin’ny masoivohon’i Rosia, teny Ivandry, ny lanonana fankalazana ny “Journée de la Russie”. Niatrika izany, nisolo tena ny filoha Rajoelina An­dry, ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena, ny Jly Sahavelo Lala Monja Delphin, notronin’ ireo tomponandraiki-panjakana sy olo-manankaja maro eto amin’ny firenena, indrindra ireo mpisehatra politika. Nan­dritra ny fandraisam-pitenenan’ny Sem Andrey Andreev, masoivohon’ny federasion’i Rosia eto Madagasikara, no nanambarany fa vonona ha­trany izy hanampy an’i Ma­dagasikara, indrindra amin’ny ezaka ho amin’ny fampandrosoana.
Fahatsiarovana ny andron’ ny 12 jona 1990, nanambarana ny fiandrianam-pirenen’ny federasion’i Rosia no vontoatin’ny lanonana. Nandritra izany ihany koa no niresahana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta, izay efa 52 taona nisiana. Mbola naneho ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara ihany koa ity firenena ity. Ny lafiny sosialy sy toekarena no tena nifantohan’ny fanampiana tao anatin’ izany. Anisany ny fanampiana ara-tsakafo, fitsaboana ireo traboina vokatry ny loza voajanahary ary ny fanolorana vatsim-pianarana miisa 40, isan-taona, ho an’ny Malaga­sy mpianatra. Anisan’ny na­siany teny koa ny mahakasika ny fanohanana ny firenena malagasy amin’ny fitakiana ny nosy manodidina. Nilaza anefa izy fa tsy afaka ny hitarika an’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena mikambana nefa kosa manohana hatrany.

Mivelatra amin’ny sehatra hafa
Efa nanomboka nivelatra nankany amin’ny lafiny fanatanjahantena sy koltoraly ary parlemantera izany fiaraha-miasa izany, amin’izao. Tanjo­na ny hihatsaran’izany hatrany, araka ny nambaran’ny masoivoho Rosianina. Taratra izany ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara tamin’ny “2ème Sommet Russie-Afrique”. An­te­naina ihany koa ny mbola hahatanterahin’ny fitsidihana ataon’ny delegasion’ny Ante­ni­mierandoholona malagasy, amin’ity taona ity sy ny fandraisana anjara amin’ny “Première conférence ministérielle Russie-Afrique”, hatao ao Sochi, ny 9 sy 10 novambra 2024 izao.

Lin

Partager sur: