Fifidianana tao Faratsiho: Tsy nifampitsitsy ny kandidà “Lalatiana” sy “Mily”

Tsy nifampitsitsy ny kandidà “Lalatiana” sy “Mily”, avy ao Faratsiho, omaly, teny amin’ny HCC, Ambohidahy. Nitory ka mangataka ny hamerenana ny fifidianana ny Irmar. Tsy manaiky lembenana ny Firaisankina.

Tsy nifampitsitsy! Nahitsy ny mpisolovava ny kandidàn’ny Irmar, i Lala­tia­na Rakotondrazafy, teo anoloan’ny mpitsara avo fa efa mpamerin-keloka sy tsy mpanara-dalàna amin’ny fifidianana ny kandidà mpifanandrina aminy. Anisan’izany ny hosoka tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo ka nitakin’ny kandidàn’ny Irmar ny hanafoanana ny fifidianana any Faratsiho sy ny hamerenana izany. “Ny Lalà­na no nentinay saingy resaka misavoana sy fanenjehana fitondrana tsy mifandray araka ny lalàna ny azy ireo”, hoy ny kandidà, i Lalatiana Rakoton­drazafy. Notanisainy ny fividianana mpifidy, ny hosoka amin’ny lisitra, fanodinkodinana safidy. Efa nofoanan’ny HCC koa aza ny voka-pifidianana filoham-pirenena tamin’ny biraom-pifidianana sasany tany Faratsiho noho ny nataon’izy ireo hatrany ary voasazy vokatr’izany koa io kandidà io, araka ny nambarany.
Faly hitory sy noho ny henatra

Namaly bontana izany ko­sa ny mpisolovava ny kandidà, Ramilijaona Nomenjana­hary, nilaza fa tsy manan-jo hanao fandikan-dalàna izy ireo satria tsy eo amin’ny fitondrana. “Notakinay kosa ny tsy fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana tamin’ny fifidianana. Faly hitory fotsiny izy ireo satria resy sady menatra… Aminay, tsy tokony hofoanana ny voka-pifidianana ary tsy meloka izahay…”, hoy izy
Nifampitory teny amin’ny HCC koa ny kandidà tao Mahajanga I sy II ka nitakin’ny mpifanandrina ny hanafoanana ny vato azon’ny mpifaninana aminy avy.
Araka izany, andrasana ny fanapahan’ny etsy Ambohi­da­hy, momba ireo raharaha telo ireo.

Synèse R. & Lin

Partager sur: