Raha tsy misy ny fiovana, hiakatra fitsarana ny talata ho avy izao ny raharaha hanenjehina ny vazaha teratany frantsay iray voarohirohy ho tsy nandoa hofan-trano tao amin’ny trano nipetrahany eny Isoraka. Araka ny fanazavan’ny tompon-trano, efa nipetraka ela tao amin’ny tranony io vazaha io saingy nanomboka ny desambra 2023 hatramin’izao (fito volana izay) tsy mety mandoa hofan-trano intsony ilay vazaha. Nitondra ny raharaha teny anivon’ny fitsarana ny tompon-trano ka nanapa-kevitra ny mpitsara fa hotsaraina haingana izany, araka ny filazan’ny mpitsara, raha ny fanazavan’ny tompon-trano hatrany. Nandefa vadintany ny fitsarana ny herinandro teo ka voamarina tokoa izany. Niaiky ity vazaha ity fa tsy nandoa hofan-trano tao anatin’ izay fito volana izay. Nambaran’ilay vazaha hatrany fa voaroaka tamin’ny asany izy ka antony mahatonga azy tsy afaka mandoa hofan-trano. Lazainy koa fa hoe miandry vola avy any an-dafy izy, kanefa tsy hita akory izany, raha ny fanazavana voaray. Nambaran’ny tompon-trano hatrany fa mahita resaka atao foana izy isaky ny tonga ny fotoana tokony handoavana hofan-trano. Andrasana, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity eny anivon’ny fitsarana.
J.C