Lavanila: nahazo tohana avy amin’ny Cnuced

Tratra ny tanjona ho an’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (Mic) tamin’ny adisisika natao nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny rafitry ny Firenena mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced), tany Suisse. Nahazo tohana avy amin’ny sekretera jeneralin’ny Cnuced, Rebeca Grynspan, ny minisitera hananganana ny vondron’ny tany mpamokatra lavanila, (Vanilla International Organization na VIO) hiarovana ny vidin’ny lavanila. Nitondra tenin’ireo tany mpamokatra lavanila i Madagasikara nandritra ny fihaonana an-tampony rehefa nahazo fankatoavana avy amin’ireo firenena mpiara-miasa. Eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 650 dolara amerikana ny vidin’ny lavanila rehefa nalalahana ity seha-pihariana ity. Hiharatsy ny kalitaon’ny vokatra, hiato ihany koa ny famokarana, hivadika seha-pihariana hafa ireo mpamokatra raha tsy ho voatazona ny vidim-bokatra. Noho izany, hahafahan’ireo mpamboly miaro ny kalitaon’ny vokatra sy hitazomana ny vidin’ny lavanila ny fampivondronana ireo tany mpamokatra izany. Hapetraka, araka izany, ny politika hitondrana azy. Marihina fa anisan’ireo firenena mamokatra ny 80% ny lavanila natoraly maneran-tany i Madagasikara.

Henintsoa H.

Partager sur: