N1A faritra afovoany: hahazo 4 tapitrisa Ar ny tompondaka

Hotanterahina anio, ao amin’ny kianja mitafo Vato­fotsy Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, N1A faritra afovoany, taranja basikety, sokajy lahy sy vavy. Hotolorana lelavola 4 500 000 Ariary izay tompondaka amin’izany. Eo amin’ny sokajy vehivavy, miisa dimy izy ireo no hifanintsana, anisan’izany ny MB2All Anala­manga, JEA Vakinankaratra, Ankaratra Vakinankaratra, Se­rasera Vakinankaratra, Fan­drasa Matsiatra Ambony. Ho an’ny lehilahy, klioba dimy ihany koa izy ireo no hihaona dia ny GNBC Analamanga, SBC Vakinankaratra, MBC Atsinanana, NGB Itasy, ASS Menabe.
Efa natao omaly, ny fivoriana ara-teknikan’ity fifaninanana ity. Tsara ny mampahatsiahy fa norombahin’ny GNBC Analamanga, vehivavy, sy ny COSPN Analamanga, lehilahy, ny amboaran’ny N1A faritra Atsinanana. Fifanin­tsa­nana izay natao tany Toa­masina, ny 1 hatramin’ny 9 jona lasa teo. Tsara koa ny mampahafantatra fa hiarahan’ny Federasiona malagasin’ny taranja basikety (FMBB) sy ny ligin’i Vakinankaratra mikarakara ity N1A faritra afovoany ity.

F.R

Partager sur: