“Star Tour” Antananarivo : mpanakanto maro no hanafana ny Coliseum

Eny amin’ny Coliseum no hanatontosana ny “Star Tour” andiany faharoa amin’ity taona ity. Notsongaina manokana ireo mpanakanto hanafana izany.

Mpanakanto heverina fa mamaly ny filan’ny mpankafy amin’izao fotoana. Ireo no notsongaina hanafana ny “Star Tour” eto Antananarivo, izay andiany faharoa amin’ny hetsika amin’ ity taona ity. Hotontosaina ny 21, 22 ary 23 jona izao izany, eny amin’ny Coliseum de Ma­dagascar. Hanokatra ny andiam-pampisehoana ny zoma 21 jona, ry Dalvis sy Agrad & Skaiz, izay ho tafaraka indray ho famaliana ny hetahetan’ireo mpankafy. Hanohy ny andro faharoa ny sabotsy kosa i Ckycky sy ny tarika Ambon­dronA, izay andrasan’ny maro hatrany rehefa “Star Tour”. Hamarana ny fotoana ny alahady kosa ry Princio, Ljo ary Ceasar.
Na somary mirona any amin’izay ankafizin’ny tanora aza ny mpanakanto nalaina, natao ho an’ny rehetra kosa ny hetsika.
“Hisy hatrany ireo kilalao isan-karazany, ankoatra ny toeram-pivarotana maro. Manan-tsafidy amin’ny fialamboly izay mety aminy ny rehetra”, hoy ny nambaran’ny mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Star Andraharo. Ankoatra ny sehatra lehibe mantsy, hisy koa ny “Espace préssion”, natao ho an’ireo mankafy ny “ambiance clubbing”, miaraka amin’ireo mpikosoka kapila malaza, toa
an’i Dj Looping, Cyemci, ary Three-T. Tsy misaraka amin’ny “Star Tour” hatrany ny fa­nentanana sy lalao isan-karazany, izay hiandraiketan’i Eric Fou hehy sy i Bahrone.
Anisan’ny zava-baovao amin’ity andiany ity ny fisian’ ny vidim-pidirana izay zava-pisotro star amin’ny plastika kely, mitentina 1 500 Ar. Tafi­ditra ao anatin’ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ny hetsika avokoa izany, satria azo fantarina amin’ny alalan’izay ny isan’ny mpijery tafiditra ao.

Zo ny Aina

Partager sur: