«Telma coupe de Madagascar »: hanala vela amin’ny Ajesaia ny Elgeco Plus

Ho fantatra rahampitso, ny ekipa fahefatra hiatrika ny manasa-dalana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma coupe de Mada”, taranja baolina kitra. Hiady izany toerana izany ny Ajesaia sy ny Elgeco Plus.

Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao ampahefa-dalana farany, ho an’ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny Elgeco Plus Analamanga sy ny Ajesaia Bongolava. Ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Hanala vela anefa ny Elgeco Plus amin’ity. Raha tsiahivina, resin’ny boaikelin’ny Ajesaia teo amin’ny ampahefa-dalana nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa izy ireo.
Amin’ity fihaonana ity, heverin’ny rehetra fa manana tombony ny ekipan’Anala­manga noho izy ireo hilalao eo an-jaridainany. Eo koa anefa ny fananan’izy ireo mpilalao be traikefa sy efa zatra ady goavana. Na izany aza, ekipa tsy azo ambaniana ny Ajesaia, misy ireo zandrikely kinga sy havanana ary mailaka eny ambony kianja. Han­gotraka, araka izany, ny lalaon’ny roa tonta. Mihevitra ny ankamaroan’ireo mpanara-baovao fa ho tonga hatrany amin’ny fandakana ny “tirs au but” ity fihaonana ity.
Tsiahivina fa efa tafita amin’izany manasa-dalana izany ny CFFA Analamanga sy ny Disciples FC ary ny Inate FC Rouge, ireto farany izay samy ekipan’i Vakinankaratra. Hido­na eo amin’izany dingana ankatoky ny famaranana iza­ny, ny CFFA sy ny Disciples FC ary ny Inate FC Rouge miandry izay tafavoaka amin’ny Elgeco Plus sy ny Ajesaia.
Ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Pureplay football league (PFL 2024)”, hatao any amin’ny kianja Ampasambazaha Fia­na­rantsoa ny lalao manasa-dalana mandroso. Hampian­trano ny Disciples FC ny Zanakala FC. Teo amin’ny lalao hafa, nandresy tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0 ny 3FB Toliara ny Elgeco Plus, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Elgeco Plus Stadium.

Tompondaka

Partager sur: