Nanatanteraka fivoriambe iraisam-pirenena, CPGS, andiany fahadimy, etsy Antaninarenina ny skoto avy amin’ny fiangonana Protestanta. Mandritra ny telo andro, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso izany. Sehatra hifampizarana hevitra sy ahafahana manatanteraka hetsika ara-panahy eo anivon’ny skotisma ny fihaonana. « Fotoana hanaovana tombana ny asa vita nandrita ny fe-potoana teo aloha ary handrafetana ny sori-dalana amin’ny taona ho avy », hoy Rahaingo Toky, lehiben’ny Tily eto Madagasikara. Hanavaozana ihany koa ny komity izay hitantana ny CPGS amin’ny taona manaraka. Tanjon’ny hetsika ny hanamafy orina ny maha kristianina protestanta sy ireo fototra ara-panahy ijoroan’ny fiangonana ary ny fifandraisan’ny ara-panahy sy ny skotisma. Mampiroborobo ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin’ireo mpikambana ao anatiny. Hanorina ny skotisma eo anivon’ireo fiangonana protestanta rehetra ihany koa. Ahitana mpandray anjara maro io fihaonana iraisam-pirenena io. “Anisan’izany, ireo tomponandraikitra avy any amin’ny foibe, ny synodam-piangonana ary ireo tanora ivelany nosafidiana manokana isaky ny firenena niaviany avy”, hoy i Faramalala Andriamanjato, komity lehibe avy amin’ny Mpanazava eto Madagasikara. Andrasana, aorian’ny fihaonana, ny hanamafisana ny sori-dalana protestanta hiatrehana ny fanamby lehibe eto amin’ny firenena sy ny lafiny fanabeazana ara-panahy.
Mino