Naiditra eny Antanimora avokoa ireo valo lahy voasaringotra tamin’ny halatra solika tao Talata Volonondry, omaly. Nanodinkodina solika teny amin’ny toerana hanamboarana ny lalambe migodana izy valo lahy ireo. Nanao ny fanadihadiana ny zandary ka niara-voatazona ireo voarohirohy. Niafara tamin’ny fihazonana am-ponja izany.
Misazy dimy taona an-terivozona ilay mpiandry fonja voampanga ho namono ramatoa mpanasa lamba tao Mangolovolo, Morombe tamin’ny 1 jolay 2023. Nahazo fahafahana noho ny fisalasana kosa ny ramatoa vadiny. Nangataka onitra 1 miliara Ar ny fianakavian’ilay namoy ny ainy.
Jiolahy iray voasambotry ny fokonolona rehefa nodomin’ny fiara teny Ambohibao, ny alin’ny alarobia
11 jona teo. Nodarohan’io olon-dratsy io tamin’ny vato ny tovovavy nanidy tsena. Nanenjika ilay mpangalatra avy hatrany ny fokonolona. Nodomin’ny fiara tampoka io jiolahy io ka noraisim-potsiny.
Lavon’ny zandary tao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny jiolahy raindahiny iray tao Tsararano Vohimasy, ny 12 jona teo. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy ireo. Nitifitra avy hatrany ny iray tamin’izy ireo rehefa nahare ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana. Namaly tifitra ny zandary. Vokany, lavo ny jiolahy iray.