Mpiantsena sy ankizy dimy niharan-doza voafaokan’ny taxi-be teny Alakamisy Fenoarivo, afakomaly hariva. Nandeha mafy ilay fiara mpitatitra ka nifatratra tamin’ny tsena amoron-dalana iray. Lasibatra tamin’izany ny renim-pianakaviana iray izay voa teo amin’ny faritry ny tongony sy ny lohany. Voadona niaraka taminy ny zazakely iray. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo niharan-doza ka tsy nisy nahina ny ain’izy ireo. Tetsy ankilany, potika tanteraka ny entana sasantsasany teo amin’ilay tsenakely. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana tamin’ny antony nahatonga ny tranga ny zandary miasa ao an-toerana. “Efa fanaon’ireo taxi-be sasany mpivezivezy amin’io lalana io ny mandeha mafy ka tokony handrasaina fepetra hisorohana ny loza tahaka izao”, hoy ny fanazavan’ny fianakavian’ny lasibatra.
Tsiferana R.