Amboaran-tononkalo: hamoaka boky i Dina Nivetsotiana TDE

“Ianao ho’aho hafa mihitsy”. Boky amboaran-tononkalo faharoa nosoratan’i Dina Nivetsotiana TDE, taorian’ny “Dinam-peniko” (2023). Boky 50 pejy mahery. Ahitana tara-kevitra maro, toy ny fitiavana an’i Neny, fankaherezana, fivavahana, ary ny fiainana andavanandro amin’ny akapobeny.
Tianaharimalala Dina Elinah, izay nohafohezina tamin’ny hoe TDE no tena anarana nomen’ny ray aman-dreniny azy. Amin’ ny maha mpanoratra, mitondra ny solonanarana « Dina Nivetso­tiana TDE ». “Mpanoratra sady poeta miezaka mamelona ny teny malagasy amin’izay fahatakarako aho ary anisan’ny mbola noho ny fitiavako izany tenin-drazako izany ihany koa no nianarako ny kabary tamin’ny taona 2022, nefa moa ny vanim-potoana ihany koa manova ny fomba fijery sy ny fomba fandraisana izany kanto rehetra izany ka niofana ho mpikabary mpanentana ny tenako”, hoy izy.
Mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra Antananarivo i Dina Nivetsotiana TDE. Tsy mitsahatra mitia sy mampiaina ny teny malagasy, raha ny nambarany.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: