Andrianainarivelo Hajo : “Tsy misy fitoniana rehefa tsy eo ny demokrasia”

Niatrika ny fivoriana iraisam-pirenena eo anivon’ny “International democrate centriste IDC-CDI” tany Frantsa ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nam­barany fa mahaliana hatrany ny mifampizara traikefa amin’ ireo mpikambana amin’izany antoko iraisam-pirenena izany. “Samy resy lahatra fa tsy misy ny fitoniana rehefa tsy mipetraka ny demokrasia. Sarotra ny hipetrahan’ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny firenena iray raha tsy tante­raka izany”, hoy izy. Nanteriny koa fa mila mipetraka aloha ny fahalalahana maneho hevitra, ny fifidianana madio sy marina, ny rafi-pitsarana tena mahaleo tena. Hitarafana fa tena tany demokratika ny firenena iray, araka ny nambarany. “Foto-kevitra imatimatesan’ny IDC-CDI sy ny MMM izany ary tafiditra amin’ny fanovana tadiavintsika ho an’i Madagasi­kara”, hoy izy. Nambarany fa azo tanterahina aty amin’ireo firenena afrikanina izany rehefa manam-piniavana sy manana foto-kevitra ireo mitondra sy mitantana firenena. Efa natoron’ireo mpitondra any Sao Tome et Principe sy i Cap Vert ary i Côte d’Ivoire, samy mpikambana ao amin’ny IDC ny lalana mankany, araka ny nambarany hatrany. Anisan’ny namelabelatra ny momba ny fanamby ho an’ny demokrasia, ny fanjakana tan-dalàna, ny fifidianana sy ny fangaharahan’izany ny filoha nasionalin’ny MMM tamin’izao fihaonana an-tampon’ny IDC-CDI izao.

Synèse R.

Partager sur: