Andro mangatsiaka : mirongatra ny gripa sy ny aretin-koditra

Tapitra ny fahavaratra sy ny vanim-potoana mafana. Miditra tsikelikely ao anatin’ny vaninandro ririnina ny eto Madagasi­kara ankehitriny. Misy fiantraikany eo amin’ny toe-pahasalaman’ny olona izay fiovana izay ka miteraka aretina. Matetika mahazo ny ankamaroan’ny olona ny aretin’ny taovam-pisefoana. Manomboka eo amin’ny gripa, aretin-tenda, sery, lalan-drivotra, “bronchite”, hatrany amin’ny “alveole”, ny “pneumonie” sy ny vanin-taolana izany. “Tsy mbola hain’ny vatana ny mifanaraka amin’ny toetr’andro miova ka mahatonga ny aretina isan-karazany”, hoy ny dokotera Rakotonindrina Norbert, mpitsabo etsy 67ha. Ankoatra izay, malaina ny olona midio sy mandro rehefa vanim-potoanan’ny ririnina tahaka izao. “Miseho betsaka ihany koa ny allergies sy ny asthme. Anisan’ny mampirongatra ny aretin-koditra samihafa ny tsy fidiovana matetika, toy ny lagaly”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa ilaina mandrakariva ny fahadiovan’ny vatana sy ny manodidina ary ny ao an-tokantrano mba hisorohana ny aretina. Mahazo ny sokajin-taona rehetra ireo aretina ireo. Mandaitra sy mamely mafy kokoa izany eo amin’ny zaza noho ny tsy fahampian’ny hery fiarovana.

Mino

Partager sur: