Angovo azo havaozina: hamokatra herinaratra ny Marea

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiroboroboana ny tahan’ny famokarana sy fisitrahana herinaratra eto Madagasikara izay ho tonga hatrany amin’ny 800 MW ka avy amin’ny angovo azo havaozina ny 70% amin’izany. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny amin’ny «Birdy» Galaxy Andraharo, ireo mpisehatra matihanina sy mpamokatra angovo azo havaozina na ny «Mada­gascar Renewable Energy Association » (Marea). Tonga nanome voninahitra izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Jean-Baptiste Olivier. Mariky ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P) ny tetikasa angovo ho an’ny daholobe izay mifandraika amin’ny ODD fahafito, miompana amin’ny fampiroboroboana ny angovo maharitra sy madio amin’ny vidiny takatry ny rehetra. Anisan’ireo mpikambana handrafitra ny tetikasa ny orinasa Compagnie générale d’hydroéléctricité de Volobe (CGHV), ny vondrona Anka, First Energy, New Ener­gy Africa (NEA), Sun­farming Madagascar, Tozzi Green, Welight, izay tarihin’ny filohany, Remy HUBER .

Vina
Maherin’ny 200 MW ny angovo vokarin’ireo mpikambana ao amin’ny Marea, hahatratra hatrany amin’ny 380 GWh isan-taona izany, izany hoe, 20% ny famokarana herinaratra eto amin’ny firenena. Tombanana hatrany amin’ny 1,5 tapitrisa ireo hisitraka ny tetikasa, izay hampiroborobo ny indostria sy ny famoronana asa ary ny fahaiza-manao samihafa.

Henintsoa H.

Partager sur: