Fampandrosoana : hampidi-bola hatrany amin’ny 40 miliara Ar ny Miami

Hampitombo ny toekaren’ny mponina sy ny tanànan’i Toamasina ary hampiakatra avo ny sehatry ny fizahantany ao an-toerana ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami). Hampidi-bola hatrany amin’ny 40 miliara Ar ity fotodrafitrasa nandrasan’ny maro ity.

Tanteraka ny fanamby! Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami) ao Toamasina, araka ny vina napetraky ny filoham-pirenena. Hanova ny endriky ny tanànan’i Toamasina sady hampandroso ny toekarena ao an-toerana ny Miami noho ny fananana ireo fotodrafitrasa manara-penitra samihafa sy mahasarika mpizahatany. « Mpitsidika hatrany amin’ny 1 tapitrisa isan-taona no andrasana ho tonga any an-toerana. Hampidi-bola 20 ka hatramin’ny 40 miliara Ar kosa ny Miami », hoy ny sekreteram-panjakana misahana ny Ta­nàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SNEVH), Andria­ma­nohisoa Gérard. Hisitraka izany ny tanànan’i Toamasina, ireo mpandraharaha samihafa, ny mpanao asa tanana, ary ny tantsaha. Hampiroborobo ny rojom-pihariana eo amin’ny sehatry ny fizahantany ity fotodrafitrasa goavana ity. «Ho hampitomboina, araka izany, ny sidina mampitohy an’Antananarivo sy Toa­masina. Hifanindry an-dalana amin’izany koa ny fisokafan’ny sidina Antananarivo-Dubaï izay ataon’ny kaompania Emi­rates manomboka ny 3 septambra izao, izay hampitombo ny isan’ny mpizahatany ho avy eto amintsika », hoy ny filoham-pirenena tamin’ny la­hateniny. Notohizany fa tsy ho latsa-danja amin’izany koa ireo mpizahatany malagasy eto Madagasikara.

Potika nandritra ny 38 taona
Nanao tohivakana ny lanonana tao Toamasina, ny sabotsy teo. Notokanana iha­ny koa ny  Boulevard Ratsi­milaho,  rehefa potika nandritra ny 38 taona. Vita tao anatin’ny fito volana ny fanamboarana nataon’ny orinasa Colas tamin’ny lalana mirefy 1km800 ka natao tara (goudron) ny 1 200 metatra amin’izany. Ho vita tsy ho ela ihany koa ny tapany faharoa ny lalana izay mirefy 1 400 m. Tsara endrika ny arabe, nametrahana jiro, lampadaire, miisa 60 ny lalana. Ankehitriny, miova tanteraka ny tanànan’i Toamasina noho ireo fotodrafitrasa goavana ao an-toerana. Tsiahi­vina fa potika taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Honorine sy Geralda ity lalana mampitohy ny fokontany sy Salazamay ity. Marihina fa nantsoina hoe « boulevard maritime » ny lalana, ny taona 1897, niova ho «Boulevard Gallieni » izany tamin’ny taona 1902 ka izao lasa «Boulevard Ratsimilaho » izao.

Henintsoa Hani

Partager sur: