Fanakaikezana vahoaka : nizara bokin-dalàna tany am-piangonana ny fitsarana

Mitohy ny fampahafantarana ny lalàna tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana izany.

Notanterahina, ny herinandro teo, tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga, ny fanapariahana ny lalàna. Nitarika izany tany an-toerana sady niara-niombom-bavaka tamin’ireo kristianina ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. “Natao izao fampahafantarana sy fanaparitahana ny lalàna izao hanampiana ny kristianina sy ahafahan’izy ireo mandray andraikitra amin’ny tranga mety hiseho manoloana ireo lalàna manan-kery”, hoy ny minisitra. Navoitrany tamin’ny fanentanana fa zava-dehibe izany, indrindra amin’izao “Iray volana ho an’ny ankizy” izao.

Fanolanana sy ny famosirana
Nampahafantarina tamin’izany ny lalàna mifehy ny fianakaviana. Notsongaina ma­no­kana ny momba ny tolotra na ilay antsoina hoe “donation” sy ny fandovàna na ny “succession”.
Teo koa ny momba ny lalàna vaovao laharana faha-2024-001 tamin’ny 26 febroary 2024, manova sy manitsy ny andininy ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana momba ny fanolanana. “Natao indrindra izany mba hiarovana ny ankizy ary lalàna mametraka ny sazy ho amin’ny famosirana na ny Castration chirurgicale” , hoy izy.
Nozarain’ny mpiara-miasa amin’ny minisitra tamin’ireo mpino kristianina ao an-toerana tamin’izany ny bokikely mirakitra ireo lalàna momba ny tolotra sy ny fandovana ireo.

Synèse R.

Partager sur: