FANTINA sy FINTINA

Afaka noho ny fisalasalana ireo voarohirohy tamin’ny “Raharaha Faratsiho” momba ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana, araka ny didy navoakan’ny fitsarana tany Antsirabe, ny sabotsy teo. Anisan’izany ny lehiben’ny CED sy ny tomponan­draikitry ny informatika eo anivon’ny Ceni ary koa ny komity mpanohana ny kandidà Ramilijaona Nomen­janahary.

Notoloran’ny minisitry ny Fitsarana kidoro, ondana, bodofotsy, akanjo, savony ary boky ireo ankizy voafonja ao Mahajanga. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny “Iray volan’ny ankizy” izany. “Mendrika hahazo fanabeazana sy fanarenana izy ireo ka afaka hanohy ny fiainana sy hibanjina ny ho avy”, hoy izy. Nambarany ny tokony hanafainganana ny fitsarana azy ireo.

Nizara fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra hanala CEPE miisa 300 ny Tim ao Alakamisy Atsimondrano. Natao izany hanalana fahasahiranana ireo ray aman-dreny. Ahitana kojakoja isan-karazany izany. Nahazo ihany koa ny eny anivon’ny sekoly tsy miankina. “Mbola hitohy ny hetsika sosialy amin’ny fetim-pirenena”, hoy izy ireo.

Partager sur: