Fetin’ny mozika: homen-danja ny fahasamihafana sy ny kolontsaina

Ankalazaina ny 21 sy 22 jona izao, eto Antananarivo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mozika. Hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity satria mandritra ny roa andro sy amin’ny toerana roa samy hafa no hanaovana izany.

Hotanterahina etsy amin’ ny Alliance francaise d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny andro voalohan’ny hetsika. Hatao eny amin’ny kaominina Ivato kosa izany, amin’ny andro faharoa. Hetsika izay hiaraha-miasa sy tohanan’ny Telma Madagas­car. Lohahevitra entina mandritra izany ny hoe: “Mozika maroloko”. Ho an’ny etsy amin’ ny AFT, hisy ny fampisehoana hiarahana amin’ireo mpanakanto maro, mivoy ny gadona isan-karazany. Ho hita eny an-toerana ihany koa ny atrikasa fampianarana dihy sy mozika ho an’ny rehetra liana momba izany. Tanjona ny hanomezan-danja ny fahasamihafana sy ny maha kanto ny kolontsaina eto amin’ny firenena. “Ezaka atao ny manome sehatra ny mpanakanto, indrindra ireo vao misondrotra mandritra ny hetsika”, hoy Andriamihanta Andrian­tsoa, chef de departement culturel ao amin’ny AFT.

Hatomboka amin’ny diabe

Ho an’ny fankalazana eny Ivato, hatomboka amin’ny diabe manerana ny tanàna izany, ny tapakandro maraina. Hiainga eny amin’ny Horizon Ivato ary hihazo ny seranam-piaramanidina ny diabe. Hana­fana ny fankalazana ireo mpanakanto maro samihafa sy mpandihy nentim-paharazana. Anisan’ny haneho ny talentany ry Mirado sy Stephanie ary Johane manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Nosafidiana manokana ny eny amin’ity kaominina ity satria be mpo­nina sy varavarana iray hidi­ran’ny avy any ivelany, tonga mitsidika an’i Madagasikara ihany koa, raha ny fanazavana voaray hatrany. Maimaim­poana avokoa ny fanatrehana ny hetsika.

Mino

Partager sur: