Andro lehibe ho an’ny mpino silamo rehetra ny fankalazana ny fetin’ny “Eid ul-Adha” na ny fetin’ny sorona. Tsy diso anjara amin’izany fa nankalaza koa ny fikambanana islamo Ahmadiyya eo Andavamamba. Araka ny fanazavan’ny misionera anisan’ ireo mpitarika ny Ahmadiyya, Moussah, fa fankalazana ny sorona nataon’i Abraham tamin’i Ismaela zanany ity mbola tsaroan’ny mpino silamo rehetra maneran-tany ity. Rehefa tena nanaiky hanaovana sorona an-janany i Abrahama dia nosoloin’i Allah (Andriamanitra) zavatra hafa ho fanehoana marika hita maso ny fitiavan’i Abrahama ny zanany ho an’Andriamanitra. Nisy, araka izany, ny fomba sy fanao izay mahazatra ny mpino silamo dia ny “Kurbani” na famonoana omby, araka ny voalazan’ny mpaminany masina Mohammad “Sallallaho Alaihi wassalan” (Saw) na hoe « Fiadanana sy fandriampahalemana anie ho ao Aminy ». Omby miisa 26 no novonoin’ny fikambanana mba hifampizarana amin’ireo mpiara-belona sady nofon-kena mitam-pihavanana. Tsy diso anjara fa omena daholo ny mpiara-belona rehetra tsy an-kanavaka, araka ny lohahevitry ny fikambanana Ahmadiyya hoe “fitiavana ho an’ny rehetra”. Rehefa fotoan-dehibe toy izao dia tsaroana manokana ny mpiara-belona ary tsy mifidy saranga na sokajin’olona izany. Mampitombo ny finoana eo amin’ny lafiny ara-pivavahana ho an’ny mpino silamo izany, raha ny fanazavan’ny misionera Moussah hatrany. Nahitana hetsika toy izao koa teny Andoharanofotsy sy Ankadimbahoaka, tamin’ny alalan’ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana. Fantatra fa manodidina ny 6 000 ny isan’ ireo olona nisitraka izao fanomezana avy amin’ny Musulman Ahmadiyya. Tsy latsa-danja amin’izao koa ny any amin’ny faritra.
Jean Claude