Fivoizana korontana : mampitandrina ny filoha Rajoelina Andry

Hentitra ny filoha Rajoelina Andry manoloana ireo mitady fanakorontanana. Nohamafisiny tamin’ny lahateny nataony tany Toamasina, afakomaly, koa fa mila hajaina ny safidim-bahoaka.

Fotoana hiandrasana ny valim-pifidianana ofisialy, avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanore­nana (HCC) isika eto Mada­ga­sikara amin’izao. Ao anatin’ izany indrindra no tokony hi­tandroana hatrany ny filami­nana sy ny fahatoniana. « Aoka hohajaina ny safidim-bahoaka», hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Nampitan­drina ireo izay mivoy fanakorontanana ihany koa izy ny amin’ny tsy fileferana amin’ny fampiharana ny lalàna ho an’ ireny vondron’olona ireny. Hitondra firafitra vaovao eny anivon’ny Antenimierampi­re­nena ny vokatry ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 29 mey 2024 teo. Izay firafitra vaovao izay no ametraka ny endrika vaovaon’ny fifandajan-kery politika eto amin’ny firenena. Nampahatsiahivin’ny filoha Rajoelina, araka izany, fa izay hery politika manana ny maro anisa ao amin’ny An­tenimierampirenena no hanolotra izay ho praiminisitra. Ity hery politika manana ny maro anisa ity ihany koa no handrafitra ny governemanta. Nana­raraotra ny fitokanana ny Boulevard Ratsimilaho, tany Toamasina, ihany koa ny filoha nampitana hafatra mahaka­sika ny fitantanana ny raha­raham-pirenena. « Tsy misy fialantsiny azo raisina intsony fa ajanona ireo mpitantana tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha amin’ny fampandrosoana ny firenena », hoy ny filoha. Anton’izany ny fanafainganana ny fampan­dehanana ny asa fampan­drosoana. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao Toama­sina, ny fitokanana ireo fotodrafitrasa maro samihafa, mamaly ny filan’ny vahoaka eny ifotony. Anisan’izany ny Boulevard Ratsimilaho, ny toerana fialana voly « Miami ». Mbola hisy ihany koa ny fitokanana ireo fotodrafitrasa eo andalam-pahavitana, araka ny nambaran’ny filoha hatrany.

Lin

Partager sur: