Hafatry ny eveka : mba ho tombontsoan’ ny rehetra ny serasera

Namoaka hafatra tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany faha-58 momba ny fifandraisan’ny mpiara-belona ny eo anivon’ny Fivondrona­mben’ny eveka (Fem). Na­maky ny hafatra tamin’izany ny filohan’ny vaomieran’ny fifandraisana, Mgr Rabema­hafaly Fulgence. “Tokony ham­piasaina ho amin’ny tombontsoan’ny fianakaviana sy ny rehetra ny fitaovan-tserasera”, hoy izy. Notanterahina tetsy Analakely, teo amin’ny fivarotam-boky Md Paoly, ny sabotsy teo sy ny alahady, tetsy amin’ny Ekar St Vincent de Paul Ambatonilita, ny hetsika nankalazana izany, tamin’ny alalan’ny Sorona Masina sy ny fampitan-kafatra. Teo koa ny famelabelarana lohahevitra mifandraika amin’izany, miainga amin’ny hafatry ny Papa Fransoa. Nikarakara ny hetsika rehetra koa ny eo anivon’ny diosezin’Antananarivo. No­tsi­a­hiviny ny teny manentana avy amin’ny Papa Fransoa momba izany. Nanteriny fa hosokafana amin’ny fiarahamonina manontolo, hanomezana tsiro ny fiainantsika tsy hahalefy ny fihavanana amin’Andriamanitra, izany.

Synèse R.

Partager sur: