Hetsika Dona : nalain’ny polisy ireo moto tsy ara-dalàna

Haharitra dimy andro, natomboka teo Andohan’Ana­lakely, ny sabotsy maraina teo, ny hetsika “Dona” izay nentina indrindra mba hanamafisana ny fampiharana ny lalàna manoloana ireo fandikan-dalàna maro samihafa ataon’ny mpitondra moto. Miseho amin’ny endrika samihafa ny tsy fanarahan-dalàna hita teny an-toerana, toy ny fanaovana taingimbe, antontan-taratasina moto tsy ampy. Tsy fanaovana aroloha. Nogiazana avokoa ireo moto tsy manara-dalàna rehetra. Haharitra dimy andro ny hetsika ka tanjona amin’izao ny hisorohana ireo loza mety hitranga vokatry ny tsy fanarahan-dalàna. Nanao fanentanana ireo mpampiasa lalana rehetra mba hanaraka ny fandaminana amin’ny fifamoivoizana ny mpitandro filaminana satria lahy tokana ny aina.
Ampiasain’ny mpanao ratsy
Ny moto rahateo no anisan’ny fitaovam-pifamoivoizana ampiasain’ireo mpanao ratsy. Tato ho ato, saika mampiasa io fitaovam-pitaterana io avokoa hatramin’ny jiolahy izay manao ny asa ratsiny eto an-dRenivohitra. Fanafihana Cash point, fanendahana sy fandrobana tsotra izao toy ireo izay efa nitranga tamin’ireo toerana be olona anatin’ny Renivohitra. Tsikaritra teny an-toerana nandritra ity hetsika ity fa nisavoritaka tanteraka ireo mpitondra moto satria tao ireo nitady lalan-kafa. Tsy nampoizin’izy ireo rahateo ity bemidina tampoka ataon’ny polisy, iarahany amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ity.

J.C/Tsiferana R.

Partager sur: