INDRAY MIJERY

Nanatanteraka hetsika “tagnamaro, andron’ny olom-pirenena” avokoa ny sekoly teknika ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny ivontoeram-piofanana CFP Pagnarena, CFP Mahafasa, CFPF Farafangana sy Van­gaindrano, ny Lycée Teknika Farafangana, Vangain­drano, Vondrozo. Fanatsarana ny toeram-piasana no notontosaina nandritra izany.

Ny fisian’ny rindrin-drahona ao atsinanan’ny Nosy no mandrafitra ny toetry ny andro anio. Aorian’izay kosa, hitoetra tsikelikely ny tsiokan’ny alizay. Hanorana miatoato any Vatovavy, Atsinanana, Analanjirofo, Amba­tosoa ary Antalaha. Handrahona any Alaotra Mangoro, Fitovinany, Sofia ary Diana. Hibaliaka ny masoandro any an-kafa anio tolakandro. Ho an’ny ny maripana, 13 sy 23°C eto Antananarivo, raha 9-23 °C any Antsirabe.

Nidina ifotony nanatrika ny adina ara-panatanjahantena teny amin’ny kianjan’Alarobia ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mpisolo toerana, ny herinandro lasa teo. Nijery ny fanatanterahana ireo fandaminana napetraka ny tenany. Taranja telo no iadinana: taranja iombonana, taranja ataon’ny tsirairay ary ny hazakazaka hafainganam-pandeha. Mpia­natra 8 833 no miadina ao an-toerana

Vita ny fanavaozana ny foibe roa ho an’ny tanora ao amin’ny distrikan’i Manakara sy Farafangana ahafahan’izy ireo mivelatra sy mahazo torohevitra mahaliana azy. Avy amin’ny fanohanan’ny UNFPA sy ny Ilo Mada­gascar ny fanatsarana, satria latsaky ny 25 taona avokoa ny 62% ny vahoaka malagasy.

Partager sur: