Mbola mahabe resaka ny valim-pifidianana depiote. Mampitsanga-mitoetra ny fiandrasana ny ofisialy havoakan’ny HCC… tsy azo ivalozana. Na ahoana na ahoana, misy hatrany ny tsy afapo. Na manohitra… Tsy mahazaka resy? Nefa matoa mirotsa-kofidina na mandrotsa-kofidina, mety ho resy na mandresy. Mila mivonona sy mahazaka izany. Tsy misy ilana fifaninanana amin’ny fifidianana, raha tsy avela malalaka amin’ny safidiny ny vahoaka hoe tompom-pahefana na tompon’ny teny farany. Vita iny ny zotram-pifidianana. Ny manaraka indray no manarina izay tsy fahalavorariana.
Matoa mirotsaka na mandrotsa-kofidina, manaiky ny lalàna aman-drafitra fikarakarana sy fikirakirana fifidianana. Tsy kitsapatsapa izany fa faharesen-dahatra sy fankatoavana. Fa tsy hoe rehefa tsy metimety amin’ny tena ny valim-pifidianana dia korontanina. Tonga hatramin’ny hoe nisy hosoka sy hala-bato, tsy fanarahan-dalàna, tsy fangaraharana… Tsy efa misy ve ny rafitra natao hitsara izay fitarainana izay. Mila fanajana sy fankatoavana. Kolontsaina politika izay, tsy mety mahafa-bela ny mpanao politika sasany: tsimatimanota? Na mahazo manao izay tiana hatao…
Misy ny mihevitra fa ambonin’ny lalàna amin’ny fifanarahana ny politika? Mahatonga ny manakorontana rehefa tsy mety aminy izay mitranga. Hoe krizy politika, mila fifampidinihana ho amina marimaritra iraisana. Olan’ny mpanao politika hatrany no mampisavoritaka sy vahana eto? Tsy fahazakana rafitra sy didy aman-dalàna no antony, fa avadika ho politika avokoa ny zava-drehetra. Tsy mety manana kolontsaina politika amin’ny fanajana rafitra sy fankatoavan-dalàna? Ao anatin’izany ny hoe krizy aorian’ny fifidianana. Nefa politika no atao, arakaraka ny fifandanjan-kery: misy mandresy, misy resy.
R. Nd.